1 Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.

2 Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra.

3 Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.

4 Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny?

5 Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin'ny taranaka marina.

6 Na dia foananareo aza ny fisainan'ny ory, Jehovah kosa no arony.

7 Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin'i Jehovah avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
